Fepetra momba ny fametahana Turbo |
1/
|
Tsy maintsy atao ny vidange raha mbola tsy vita izany |
|
|
2/
|
Tsy maintsy soloina ihany koa ny filtre huile. |
|
|
3/
|
Controlena ny filtre a air sy ny boite a air raha mbola tsara sy madio, soloina raha misy mampiahiahy. ( mety hiteraka fahasimbana eo @ "butee" ny tsy fahampiandrivotra ateraky ny faharatsiana na fahalotoan'ny "filtre a air" ) |
|
|
4/ |
Verifiena daholo ny tuyau sy durite mandeha any @ intercooler raha misy :
- menaka any @ durite intercooler
- sao dia misy tuyau na flexible vaky
tandremana sao dia misy fuite fa mety hiteraka fahasimbana eo @ turbo
|
|
|
5/ |
Tandremana tsara ny montage ny joints mifandray @ moteur, ary tsy azo atao ny mampiasa pate a joint @ ireo joint eo @ entree d’huile sy ny sortie d’huile ka miteraka fihenanan’ny menaka mivoaka sy manetsina azy ireo ary hiteraka fuite eo @ segment d’etancheite eo @ turbo ampatsiahivina fa ny segment dia tsy etanche 100% no ilay jeux zay misy eo @ ilay turbo, ka raha misy fahatarana ny fiverenany meka eo @ turbo ( pate a joint, tuyau tery na contrepression avy ao @ carter d’huile moteur : na motera manomboka reraka (segment,valve soupape…..) dia lasa misy compression mandeha any @ carter d’huile, na degazage moteur . ny tsy fahafenoan’ireo fepetra ireo dia mahatonga fuite d’huile eo @ turbo. |
|
|
6/ |
rehefa vita tsara montage ny turbo dia :
- tazomina @ tanana ilay rotor eo @ roue compresseur tsy avela hihodina, demarrena au ralenti tsy accelerena dia tsy avela hihodina ilay roue compresseur madritra ny 10s rehefa maty ilay jiro mena eo @ tableau dia esorina ny tanana
- raha ohatra tsy mandeha intsony ilay temoin eo @ tableau dia asiana manomètre de pression d’huile eo @ fidiran'ny menaka sous pression.
|
|
|
7/ |
Raha ohatra mi-renifle ilay motera nohon’ny fahasimbany sy fitrohany turbo menaka (aty @ admission filtre), dia tsy apetaka @ tuyau admission ntsony ilay tuyau an’ny reniflard fa avoaka any anaty bidon kely ary tokony jeren’ny tompony fiara matetika ny fahafenony mba tsy hi-debord mba hisorohana ny loza raha sanatria lasa any @ motera mamay na pneu dia mety hiteraka firehetana izany. atao izany zavatra izany mba tsy andehan’ny menaka mamay any @ motera satria mora mirehatra ohatran’ny lasantsy ny menaka mamay rehefa aspiren’ny turbo |
|
|
8/ |
Ny tsy fahatomombanan’ireo zavatra voalaza eo ambony ireo dia mahatonganay hiala amin’ny fiantohana raha misy fahasimban’ny turbo (garantie) |
|
|
|